Tapitra androany (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tapitra androany

fotoana fohy monja no nanginako
fotoana zay noheveriko tsy hisy
kanjo nisy akony teo amin'ny fiainako
lay sento, tao anatin'ny ora vitsy

Niezaka ihany aho ny handresy
handresy izany fahasosorana izany
saingy indrisy fa ny an'ny sasany efa tsara tefy
Manao izay higafiana anao hatrany

Maro tamin'ny namako no nalahelo
Nanontany fa hoe naninona ary aho?
Saingy na izaho koa aza tsy nahaloa-peo
Mba tsy mahalala ny anton'izao

mino aho fa mandalo ihany izao
fa aza manahy ny amiko
Aleo rahampitso asehoako anao
Lay fifaliana vaovao, tena avy ao anatiko

Tsy maintsy mifaly aho fa matokia
hiara-mifaly indray isika, sa ahoana?
Ary tsy mijanona intsony fa miroso ny dia
Tsy maintsy feno tsiky, na ho voky na ho noana!!

ny antony hanaovako ireny manko dia lazaiko
mba hampisinda ny alahelonao tany ho any
Hatramin'izay manko dia ny mitaraina no haiko
Fa asehoako anao amin'izay izany hoe fifaliana hatrany!
--------
Rohy:
1024 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102