You are here: home > Vetso

angamba fantatrao - Mikanto

Azo vakiana?

ANGAMBA FANTATRAO

Angamba fantatrao,
Raha mandatsa-dranomaso,
Alahelo mifamahofao,
Noho ny hakivina sy ankaso;

Efa fantatrao fa aoka,
Raha toa ka mamelovelo,
Dia ny soratra no hamoaka,
Ny hakivina sy alahelo,

Efa fantatrao angmba,
Ilay feo tsy mety tapitra,
Ilay mandrovitrany lamba,
Ilay alahelo tsy hita faritra,

MIKANTO
28-02-14

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha