Avelao aho ho any - Myh'Andry
Ny any hirahira no re manakoako
Fa ny eto ranomaso...
Ny eto mitomany tsy anilan'olon-tiana
Nefa... ny any fifaliana.
Any ny masoandro, mafana mibaliaka
Fa ny eto mangatsiaka.
(...)
Any ny fitiavana, mahatohitra ny ankaso
Fa...ny eto toa matsantso...
Ny eto lany tsiro tsy hita hotantaraina
Nefa...ny any tohan'aina.
Ny any koa ny alina mitondra fiadanana
Fa ny eto? miodan-tanana.
(...)
Ny any akia no tiako, ny any no hiriako fa...
Ny eto maizim-pito
Ny eto mpisakaiza ny tsiky sy tomany ka...
"mba avelao aho ho any."
Myh'Andry
15 martsa 2022
Mombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 15/03/2022
Mpamangy : 448
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Tamin'ny ora voalohany vaHiteny izao ianao hoe: Ni
ZATRA
... Izy ilay niloka ny t
HITSO-DRANO AZY AHO Raha
VINANY ADALADALA
AN-DALANA
VONINKAZO SOA (Ho an'i Neny)
SAINGY EFA LASANAO...!
Niova izy