Izay ianao - Nanour
Azo vakiana?
Fa maninona ianao no ho tiako ?
Fa iza ianao no hofidiko ?
Ianao izay toy ny lolo mitety voninkazo
Tsy mitsahatra manidina mandefa vazo
Tsy fantatrao akory ny dikan'ny fitia
Fifankatiavana tsy miloka ny ho doria
Kilalao manalasala mahalasa adala
No hampianarinao ka aleoko miala
Tsy ny harena sy ny bika no mahatonga lafatra
Ahafahanao miaraka amin'ireo irinao fatratra
Fa ny hatsaram-panahy sy ny fahaizanao mandahatra
No fitaovana mahomby mampirindra ilay ankamatatra
Sokajy :
Fisarahana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Nanour
Nampiditra : NanourDaty : 05/10/2004
Mpamangy : 931
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ampy izayTonga saina
Mampitamby
Mensonges, fautes d'ortho...
Ny tany
Ny fo
Ny fitiavako anao
Vavaka
Kintana nandalo
Kintana nandalo