Mampitamby (Nanour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia noheveriko tsy hisy fetra
Nifanentana ny vatana, fanahy sy toetra
Valim-bavako tao anaty setrasetra
Saingy nahitako ny fahalemeko rehetra

Fitomaniana, fangatahana tsy misy setriny
Tsy misy resaka fa tonga dia ventiny
Tsy tambitamby, tsy orokoroka no afafiny
Fa gidragidra, lainga sy mistery no ao anatiny

Kanefa fitiavana madio no natolotro
Tsy nisy niafina taminao ny tontoloko
Tena fitiavana no niaretako hatr'izao
Saingy tsy ampy izany hoy ianao

Ny fitiavana tsy afaka hifanerena
Ka aleo tso-drano no omena
Ny elanelan-taona no tazoninao an-tsaina
Ka mahita vady iadanana sombiniaina.

17 février 2004.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1834 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nanour
Nampiditra : Nanour
Daty : 15/10/2004 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263