You are here: home > Vetso

Tonga saina - Nanour

Izay vao tonga saina
Fa mafy ny miaina
Mazava tsara daholo
Ny halalin'ny tontolo

Hitako ny diako
Fahaizana sy vola no iriako
Hohadinoiko ny fitiavana
Fivelaran'ny saina no tanjona

Fahaizana sy fahalalana
Mitarika fifanajana
Ny vola sy ny harena
Asiana fetra tsy ho jambena

Avril 2003.

Sokajy : Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha