You are here: home > Vetso

Vavaka - Nanour

Azo vakiana?

Ampio aho Tompo mba hanadino
Ilay fitiavana tokana ato am-poko
Satria fantatrao fa tsy ho vitako
Ny tsy hisy azy eo anilako iny

Lasana nandao izy mantsy
Sady tsy namela vatsy
Ka tsy misy hitarainana
Na ankizy hisaintsainana

Angatahiko aminao ry Ray
Ny hino anao indray
Mba tsy hampivarilavo
Hanandratra anao ho avo

Ampio aho tsy hanameloka Anao
Noho ny nandaozany ahy
Omeo hatsaram-panahy vaovao
Vokatry ny nitiavany ahy

Maro loatra angamba ny fangatahako androany
Fa mba mitalaho hamerenana ilay mamy
Hampamiratra ilay kintana nanjelatra omaly
Sy hiverenan'ilay fitiavako iny indray andro any.

Mars 2003.
Parisy.

Sokajy : FITIAVANA

Hametraka hevitra

Midira aloha