Ny fitiavako anao - Nanour
Azo vakiana?
Fitiavana kidaladala
No niantombohan'ny tantara
Fitiavana maimaika
Tampohiny sy taitaitra
Noheverina tsy haharitra
Natao kilalao hahafinaritra
Saingy rehefa notohizana
Dia lasa fitsapana nikoizana
Isan'andro vaky izao
Matahotra ilaozanao
Nanjary fizahàna toetra
Sy nasiana tarigetra
Ny zavatra rehetra atao
Notanterahiko ho anao
Niezaka ny ho tsara bika
Nampirindra ny resantsika
Nahitako tombontsoa
Nampivelatra saina sy fo
Fantatro ianao fa tsara
Fantatrao aho fa tsy ho anjara
Fa lalana mba nifanojo
Nifanao tohatra tsy hiozohozo
Ny fitiavako anao
Tsy mety ritra hatr'izao
Na dia nilaozanao
Satria soa niaraha-natao.
Pour toi.
Hevitra mandeha
TITANIC (02/11/2004 17:22:39)
angegasikara (27/11/2004 11:30:38)
Quel joli poème franchement tsara be ilay izy.
Le poème me parle un peu.
Merci beuacoup de nous faire rêver.
Ange.
Nanour (30/11/2004 17:20:48)
Mombamomba
Mpanoratra : Nanour
Nampiditra : NanourDaty : 14/10/2004
Mpamangy : 3479
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ampy izayTonga saina
Mampitamby
Mensonges, fautes d'ortho...
Ny tany
Ny fo
Vavaka
Kintana nandalo
Kintana nandalo
Satria tsy sitrakao