You are here: home > Vetso

Ny fo - Nanour

Azo vakiana?

Mba tandritandremo ny fo
Fa hamitaka anao tokoa
Aza atao be sendaotra
Sao hankarary an-doha

Isy io mantsy azo volaina
Mety hamboarin'ny saina
Mba tsy hiborahan'ilay pataloha
Hampitraka indray ny loha

Aza dia tanterahina
Ny fitia tiana hoborahina
Tantarao amin'ny saina
Ho visainy ilay lalaina

Tsarovy fa ny fo tsy manam-petra
Tadiaviny avokoa ny tantara tsara rehetra
Saingy ny fiainanao fantatrao fa tsy hitoetra
Satria voafetran'ny anjara sy ny tianao ho tantara.

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha