Ny tany - Nanour
Azo vakiana?
Harena tsy ho lany
Raha ny eto an-tany
Sarobidy noho izany
Ny any an-danitra any
Haravoana analin-kisa
Fiainana tsy ho voatanisa
Saingy zava-poana avokoa
Satria tsy anilanao ry Ray tsitoha
Miezaka hatrany ny hahita mamy
Hahazo tombotsoa, hivoatra sy hankato
Hivavaka koa ny ho tafita
Ahafahana manao soa ny tanindrazantsika
Nahoana re ry tany
No rehareha lava izao
No heveranao
Fa hampandroso ny olona ao
Na ny vavaka aza
Natao fitaovana kalaza
Hidirana any am-paradisa
Na hampandriana adrisa
Fitiavana daholo
No mahatonga ireny
Fa fitiavan-tena
Na fitiavam-pirenena
.............
Avril 2003.
Sokajy :
fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : Nanour
Nampiditra : NanourDaty : 14/10/2004
Mpamangy : 1227
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ampy izayTonga saina
Mampitamby
Mensonges, fautes d'ortho...
Ny fo
Ny fitiavako anao
Vavaka
Kintana nandalo
Kintana nandalo
Satria tsy sitrakao