Satria tsy sitrakao (Nanour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Meloka aho ve raha hitia anao sy hataonao kilalao ?
Kanefa dia fitiavana tsotra izao no hatolotro anao
Fitiavana tsy misy fetra no ao am-poko ao
Ka na hanomezana ny aiko, hafoiko noho ianao

Aza omena tsiny re ry mpitazana eto
Fa fitiavana be dia be tsy ho zaraiko eto
Ho anao irery ry aiko izao tononkalo izao
Na dia tsy ho haiko ny hamboraka azy aminao

Tsy afaky ny hitroatra satria ilay Nahary
Tsy nanao ahy tsara voatra mba ho tiavinao
Sy hampitony ny talaho, handresena ny ankaso
Hijanonan'ilay fitia, fitiavana tsy hita maso

Aoka ilay fitiavako hajaiko ho ahy irery
Tsy hitady anao intsony ito foko manirery
Satria meloka aho ny nitia anao, sy nataonao kilalao
Tsy hahafoy ny aiko satria tsy Sitrakao.

Mars 2003.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
2109 2
Mpakafy: bniaina - tsikikely
Hevitra mandeha
gabrielle ( 22/10/2004 13:50)
Hey hey hey,
Fa maninona no dia mitaraina foana isaky ny manoratra é? Ataovy izay maha-tsara ny fiainana fa aza mitolefika izany, indrindra fa raha hoe natao kilalao fotsiny ilay izy. Ne sois pas fataliste, prends ta vie en main, et ne te plains pas de ceux qui n'en valent pas la peine.
G.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nanour
Nampiditra : Nanour
Daty : 05/10/2004 08:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149