You are here: home > Vetso

Zandriko - Nanour

Azo vakiana?


Isika roa
Mifankatia tokoa
Mifanao soa
Miaraka ho to

Tsy nifandao
Na navelanao
Handeha irery
Na hanirery
Ito zoky kely
Sy ny tsianjery

Sipa tena tsara
Tsy mampite-hizara
Miezaka ho tafita
Am-pahaizana sy bika

Manery ahy hivoatra
Indraindray koa hitroatra
Saingy mahasaro-piaro
Satria kanto hoy ny maro

Isaorako ny Ray
Nampisy ilay zandriko izay
Fizarako tsiambaratelo
Manala ny alahelo.

Atolotro ho an'ny zandriko rehetra.

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Nanour

Nampiditra : Nanour
Daty : 28/10/2004
Mpamangy : 1461
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ampy izay
Tonga saina
Mampitamby
Mensonges, fautes d'ortho...
Ny tany
Ny fo
Ny fitiavako anao
Vavaka
Kintana nandalo
Kintana nandalo