You are here: home > Vetso

Rehefa hanambady - Nofy2

Azo vakiana?

maro ny miteny fa rehefa hanambady
aleo tena tiana
fa izaho milaza raha toa ka haka vady
saino am-pahatoniana

tsy hoe "izy no tiako" ny ankoatrany tsy ilaiko
izay dia mety ahy
na inona toetra rehefa mamiko , lalaiko
tsy misy mampanahy

"fitiavana" hoy ianao, io no aoka hanjaka
hiatrehana ny ho avy
rehefa samy tia ka tena latsa-paka
aleo izy hivady

fa ity no teniko ho anao ry tovolahy
mihevitra ny hampakatra
alao ambony, ambany ny toetra sy fanahy
io no mila fantatra

ry tovovavy kosa aoka tsy ho maika
hanao ny fanekena
raha mahita azy be vola sy mianjaika
jereo ny fahendrena

ny ao an-tokantrano tsy vitan'ny androany fa mandrapahafaty
ao ny tena sambatra , ao koa ny mijaly misotro aleoko maty
tandremo sao dia jamba ka mpahina ny maso noho ny fitiavan'azy
diniho tsara aloha izay vao manampan-kevitra rehefa hanambady

Nofy2
02 Mars 2017

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Nofy2


Nampiditra : nofy2
Daty : 12/05/2020
Mpamangy : 226
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

HAFA IHANY
HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Meteza
Rehefa
ny vady aman-janako
ahy ny fiainako
Ny vola
ny tokantranotsika