Ataoko ahoana? (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy fantatro intsony izay tena marina
efa noezahiko ny mba ho takarina
ny lohako fotsiny no lany misaina
hoe iza tokoa no tiako alaina?


Fiako ny atsy,mamy ny aroa
Tantely ny hafa toa tsara avokoa
Iza aminareo no anjara ho ahy?
Raha izao no mitohy toa mampiahiahy


Nareo telo lahy toa samy ao am-poko
Moa tsiniko ve no sady adisoko?
Satriko raha ho ahy daholo ianareo
Kanefa tsy mety raha izay no miseho


Atao hoe adala aho satria tia maro
Raha vao misy hafahafa izaho sarom-piaro
Ataoko ahoana no hanafangaro?
Manomboka anio aoka fantaro


Na dia niezaka aza ny mba hamantatra
Ny foko,ny saiko no vizaka fatratra
Tsy nisy vokany izay notadiavina
Iza no ekena?iza no lavina?


Ilaozako ny atsy tomany foko
Laviko ny aroa dia hitoloko
Andosirako ny hafa dia halahelo
Indrisy ny foko mitepo an-kitelo


Tonga ny hafa izaho miramirana
Lasa ny atsy somary sahirana
Anilako ny hafa izaho sambatsambatra
Ataoko ahoana nefa ny hanambatra?


Nofy2
04 Aoùt 2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1128 2
Mpakafy: poney - Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 02/07/2013 08:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015