Aza (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza faly sy sondriana
Eo an-tratran’olon-tiana
Aza manantena ianao
Fa izy tena tsy handao

Aza faly mampirafy
Aza mazoto ny mandrafy
Fa tsy ho fantatra ny ho avy
Sao ho rendrika sahady

Aza tonga dia ambara
Aoka aloha ho hita tsara
Ireo toky izay omeny
Sao mivadibadi-teny

Aza maika ny hilaza
Ny fitia izay ho tenenina
Saino tsara hoe :”sahaza”
Sao aoriana dia ho nenina

Nofy2 17 Avril 2007
--------
Rohy:
1940 2
Mpakafy: Nofy2 - zakaiosy
Hevitra mandeha
Imbolatiana ( 05/08/2014 11:31)
Marina daholo ny voalazanao, tsara ka!
Nofy2 ( 06/08/2014 13:12)
zan!mer6 bcp
zakaiosy ( 16/08/2014 12:18)
Miarahaba an'i Nofy ! Tena kanto ny tononkalonao, tsotra nefa mahalaza tsara izay tian'ny olona maro holazaina kanefa tsy tafavoakany fa ianao no nahatafavoaka azy. Mampahatsiaro ahy an'ilay mpanoratra hoe A.H Nhary, asa raha fantatrao, lasa hoe NARY fotsiny ny anarany ankehitriny, nanoratra ilay hoe "rehefa ny vary izay foto-tsakafo no tsisy hovidiana , na misy fa lafo...". Izaho mino fa raha mitohy izao dia ho anisan'ny mpanoratra vaovao sangany hipoitra ato ho ato ianao. Vao 1 no voavakiko fa ndeha hamaky ny hafa indray aloha , fa iny aloha efa nomeko isa 5. Mahereza e !
Nofy2 ( 09/09/2014 09:12)
amen anie zan fitsofan-drano ataonao amik izan! :-)! misaotra betsaka!ten mbol tsy fantatro izany mpanoratra lazainao izany fa andras jerek at am it tononkal serasera it!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 05/08/2014 08:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146