Diniho ihany aloha (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanaka: Avy ange ry neny ,hiresaka isika
Angamba henonao sy efa hiara-mahita
Atsy andrefan-trano misy tovolahy
Milaza fa dia tia,mikasakasa ho ahy

Hendry tena hendry tsy mpilalao vehivavy
Toa izaho mihitsy aza ange no alainy vady
Izany no lazainy tamiko omaly
Izaho moa tsy niteny,tsy nahita avaly

Fa izy aloha ry neny miavaka amin’ny hafa
Tsy tahaka ireo lehilahy izay efa mahazatra
Feno famantorana hiatrika ny ho avy
Toa tsy hilalao na koa hisangisangy

Reny: tsarovy ange ry zanako
Fa maro ireo lehilahy miseho miana-kendry
Mampiseho fihetsika,milaza ho tena hendry
Nefa any ambadika any manao ny hadalana
Rehefa eo ianao afenony ny haditrana

Miseho tena tia ary ho mandrakizay
Kanefa tsy mionona amin’ny anankiray
Lazainy fa ianao no tena fanamperana
Nefa tsy maharitra,mandalo sy miserana

Milokaloka mafy fa tena tsy handao
Raha vao mahita anefa tsara noho ianao
Lasa fa tsy tana,tsy mahajanona ela
Raha raikitra ny any,ianao eo tavela

Ny fo ampirafesina dia mitera-doza
Raha toa tsy atokisana aleo aloha manova
Fa sao efa maratra,izay vao hoe alamina
Ny fitak’olon-tiana sarotra sitranina

Koa saino tsara aloha ary koa diniho
Fa raha ny fitiavana tsy vitan’ny anio
Izaho tsy misakana anao hifankatia
Fa saino aloha ny aminy vao miara-dia

Zanaka:fa misy ange ry neny
Ireo ray aman-dreny

Lazaina ny fiarahana fa hoe haditrana
Kanefa ny fitia tsy manambara fahotana
Bedesina aoka izany,sakanana ny fo
Mihevitra izy ireo fa izay no mahasoa
Kanefa dia handetika ary koa hanimba
Izy ireo misaina fa izay no tsara indrindra

Fa ianao ry neny tsy mba tahaka izany
Ekeko fa tanora sy mbola zaza ihany
nefa tsy sarotiny ataonao misafidy
tena mankatelina aho fa tsy voahidihidy

Reny: fa izao no tadidio
manomboka anio
aoka ho tena mailo,ianao ry sombin’ny aina
Fa sao mahita olona ho tena be taraina
Iny fa dia roboka fa izy tsy handao
Nefa tetika ady hanambaboana anao

Diniho sy saino tsara aloha ny hamaliana
Fa sao dia hanenenana rehefa ao aoriana
Fotory tsara ny aminy,jereo ambony ambany
Izay vao hanampa-kevitra ny hiditra amin’izany

Zanaka:misaotra anao ry neny


Nofy2 23 Septembre 2007
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1702 2
Mpakafy: Nofy2 - andry 1000
Hevitra mandeha
yhardina ( 10/07/2013 09:16)
d msaotra anao ry neny
Nofy2 ( 12/07/2013 14:55)
:-)
andry 1000 ( 08/04/2015 04:10)
henjana ianao e! tena mahay
andry 1000 ( 08/04/2015 04:11)
ahoana moa ny fomba fanomezana naoty, fa tiko omena naoty ianao
hery ( 09/04/2015 09:34)
Efa misy fanomezana naoty io :-)
Nofy2 ( 30/11/2015 13:36)
misaotr betsak o!aiz ko mo d hoe henjan f mba miezak n manao ze met e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 06/07/2013 14:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145