Ekeko (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko fa tsara sy manja ianao
Raha mihoatra an’izay malalako izay
Kanefa kosa tsy ataoko fanao
Mamadika dina nifanaovanay

Ekeko fa anananao ny harena
Entina miatrika ny ho avy ao am-para
Kanefa tsy izany no tsara jerena
Fa tena fitiavana mangarahara

Ekeko fa mety tena tia ianao
Ary mibanjina ny fanambadiana
Indrisy rahavako tsy sahiko atao
Handratra ny fon’ilay olon-tiana

Ekeko fa tiako sy mamiko ianao
Ny toetra sy mombanao rehetra
Kanefa aoka tsorina lazaiko aminao
Ny fitiavako efa any aminy no mitoetra

Nofy2
2008
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1250 2
Mpakafy: Nofy2 - yhardina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 06/07/2013 14:27
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157