Hafatra (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny ilay MALALAKO iny,raha sendra tazanao
Ka miaraka @ olon-kafa dia hafaro tahak’izao
Ilay olon-tiany reharehany

“iangaviany hono hoe ianao mba hanao izay hahasambatra azy
Fa izany rahateo no efa niriany hatry ny ela
Mitalaho koa hono izy mba tsy ataonao vazivazy
Na kilalao ny fitiavany fa mba tena haharitra ela”

Dia ampio tahak’izao

“ilay MALALANAO iny efa tena babonao
Ary ianao no tena tiany noho ilay MALALANY taloha
Ka aza ampijaliana fo”

Ary farany dia izao

“mivavaka izy ho anareo sady mitsondrano koa”

O! Misaotra anao mialoha

Nefa etsy kely ange!
Iangaviako indrindra ianao
Ianao mpitondra hafatra iny
Mba tsy hilaza ny anarako,na dia kely monja ihany
Fa tsy tiako ny ho fantany
Nefa raha misisika izy ka maniry te hamantatra
Dia ambarao tahak’izao
“ILAY OLONA TALOHANAO”

Nofy2
05 septembre 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Anatra - fiainana - Fitiavana
1718 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 02/07/2013 08:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151