HO INONAO (Nofy2)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho inonao moa izaho rehefa izay no hevitraoKa hitanao fa mahasoa amiko sy aminao
Tsy maninona tsy akory, eh!ataoko ahoana moa
Izaho tsy afaka hanery na handrara ihany koa
Ho inonao moa ny ataoko sy itondrako ny fiainako
Tsy misy idiranao intsony eny na dia ny fisainako
Na ny alahelom-poko na ny ho aviko any am-para
Tsy mila fantatrao izany, aoka ho mazava tsara
Ho inonao izay manjo ahy na voaratra aho na tsia
Na efa misy miaraka amiko mifampizara ny fitia
Aza saro-piaro intsony efa nifarana ny dia
Ajanony, atsaharo, tena ataovy sanatria
Nofy2
10 Octobre 2014
--------
Rohy: