Ianao (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ora vitsy monja no nahitako anao
Dia potika sahady
Ilay fitiavako azy
Na dia noheveriko aza fa mafy sy mahery
Kanefa ny anao mbola mihoatra izany
Hafahafa ihany
Tsy azoko an-tsaina
Tsy mety ho lanjaina
Satria tsy hisy hahazaka
Fa tena...tena latsa-paka
Ny foko izay nisaina
Tsy hitia ankoatran’azy
Mandritry ny androm-piainany
Raha vao tojo anao
Dia nandadilady
Babo tsotra izao
Ilay fanadinoana
Izay ela niantsoana
Nandrasana hatry ny ela
Nanantona avy hatrany
Noho IANAO ihany


Nofy2
01 octobre 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2675 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 16/09/2014 12:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101