ilay zazavavy - Nofy2
Zazavavy kely, fito ambin’ny folo taona
Dia tsy mieritreritra fa manaonao foana
Mandripaka an-tanàna tsy menatra fa sahy
Manao izay rehetra mety ho an-tratran-dry zalahy
Zipo fohifohy na pataloha tery
Manao izay hampisintona ny masonao hijery
Fandeha toa jilajila, fihetsika hafahafa
Raha toa ianao ka azony rehefa mba mitafa
Tovovavy jejo, manaitra ny filàna
Ka hatramin’ny manambady no indro fa tsy tana
Izy tsy mifidy na firy taona ianao
Fa izay rehetra azony manao ny tsy fanao
Dia roboka daholo ny vatan-dehilahy
Vao mainka izy jefy ary tena sahy
Izy aloha tsy ratsy na endrika na bika
Kanefa samy ananany na ditra na ny sipa
Misolosolo foana ny mitantana azy
Toa tsy asiany vidiny fa izy manalazy
Matetika iarahany ireo antitra efa sola
Satria ireny indrindra no tena manam-bola
Zazavavy kely tsy ampy taona akory
Dia indro fa miridana manao izay sitrapony
Tsy mihevitra ny ampitso izay hita fa ho simba
Angamba tsy misaina ny aretina mifindra
Koa saino sy diniho e, fa masina ny tena
Aleo re tsy lotoina e, ny ho avy no jerena
Ataoko fa efa betsaka izay rehetra vita
Ajanony re ! ampy izay ny ditra
Nofy2 10 fev 2016
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Nofy2

Nampiditra : Nofy2
Daty : 11/07/2018
Mpamangy : 1547
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
HAFA IHANYHATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady
Meteza
Rehefa
ny vady aman-janako
ahy ny fiainako
Ny vola