Impiry (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Impiry moa ry Tompo
Ity hetahetam-poko
Ny hanakaiky anao?
Kanefa dia izao

Voasakana avy hatrany
Tsy avela manontany
Dia tsy haiko hoe nahoana?
Fa hoe manaonao foana


Impiry no nandroso
Ary koa nanompo
Anao ombieny ombieny
Indrisy fa voatery

Hajanona avokoa
Fa hoe tsy mahasoa
Dia tsy hitako ny atao
Terena tsotra izao


Impiry koa ry Raiko
Ny eritreri-tsaiko
Nikasakasa mafy
Kanjo dia voagafy

Rarana ny mitory
Ary koa mivory
Fa tsy misy tombontsoa
Tsy mitondra soa



Dia indro fa nanompo
Anao an-tsokosoko
Nijoro sy nikiry
Na dia efa impiry impiry

Nofy2
08 Juin 2011
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fiainana
1560 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 09/09/2014 09:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152