Mandehana (Nofy2)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa izay no tsapanao sy hitanao fa mahasoa
Mahamety ny amintsika, tsy mitana aho andriamatoa
Tsy mampaninona ahy mihintsy izay fanapahan-kevitrao
Aza mihevitra ny amiko fa izay tianao ihany atao

Izaho tsy hisakana akory na hanery anao izay tiako
Fa safidim-ponao ihany, ny fahasambaranao no iriako
Sanatria ny hoe hidrikina sy hanambitamby re!
Fa raha izay no mahatsara, soava-dia raha handeha

Izany akory tsy midika hoe tsy tiako akory ianao
Na tsy misy vidiny amiko ireo zavatra natao
Satriko sy teliko aza tsy hisaraka ny dia
Fa ataoko ahoana moa? Tsy an-tery ny fitia



Nofy2
13 Dec 2011
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
3011 2
Mpakafy: Nofy2 - hery
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 12/05/2015 06:49)
marina tokoa 'zany...tsara le asa-soratra fa
aza miantso intsony,
adinoy ny anarany,
fafao ny ranomaso,
avelao ny tantarany,
fa izy efa lasa;
tsy hiverina intsony,
tsy azonao ilazana,
izay mety mampaory,
fantatro ianao,
eny tena tia,
fa izy lasan'olona,
miangavy aho : mivilia,
Nofy2 ( 19/05/2015 10:44)
mankasitrak!tena tsar!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 12/05/2015 06:44
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147