Miangavy (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o!
Iny zanako iny
Nilaozan’olon-tiany
Omaly tahak’izao
Raha toa ka tsinjonao
Jereo fa bongo maso
Noho ny ranomaso
Ilay hany nofinidiny
Nataony ho sarobidiny
Potiky ny ankaso


Andriamanitra o!
Andeha nge mba zahao
Fa mihidy an’efitra ao
Tsy mety ny mivoaka
Fa tampoka aminy loatra
Ny loza nahazo azy
Raha mety re miangavy
Atanjaho ny fony
Ny sainy koa ho tony
Fa sarotra ny ady

Andriamanitra o!
Ny lasany rehetra
Ny dina sy ny etsetra
Ataovy tsy ho tsaroiny
Sy tsy hitempo intsony
Ilay hany nianteherany
Nandalo sy niserana
Omeo ny mahasoa
Hombanao tokoa
Ho tojo fanamperana

Nofy2
14 Fev 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1460 2
Mpakafy: Nofy2 - yhardina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 02/07/2013 08:25
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149