Nahoana? (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia tiako ve ianao?
Toa mahagaga ihany,tsy aiko hoe ahoana?
Ianao ry olona iny tsarovako eny foana
Ny eritreritro mazana miantefa any aminao
Nohezahiko havily nefa tsy mety atao

Kanefa etsy ange
Ny aminao rehetra izay tsy ahitako tory
Tsy misy hoe manintona,tsy misy tiako akory
Nefa tiako ianao,tsy haiko ny hanazava
Fa ny azoko ambara,isika tsy sahaza

Dia lasa ny fisainako,fa iza moa ianao?
Fa dia nahoana loatra aho no tia tahaka izao?
Raha toa ka nety ihany ry foko ny nametra
Angamba ny fitiavako tsy tany no nitoetra

Nofy2
08 Avril 2010
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1414 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 14/08/2013 15:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102