Ny ranomaso (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ranomaso re mazana
Matetika tsy tana
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy


Nilaozan’olon-tiana
Potika ny dina
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy


Dia indro fa mifoha
Ny tsiaron’ny taloha
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy


Kivy ny fiainana
Tsy misy itarainana
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy


Voton’alahelo
Niondri-doha teo
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy


Feno fifaliana
Fa tojo ny niriana
Mirotsaka tsy nahy
Mandrotika fanahy




Kanefa misy koa
Tetika ao an-doha
Miseho ho mitomany
Fa fomba fotsiny ihany

Nofy2
13 Dec 2011
--------
Rohy:
Sokajy : zava-misy
2369 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 19/04/2014 14:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107