Raha... (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy ihany afo mitsilopy
Ao am-ponao ao
Iangaviako ianao,ndeha re mba havoty
Ilay malalanao
Tomany mantsy izy
Trotraka sy kivy
Raha nilaozanao,ilay hariva iny

Raha azonao atao mamerina ny lasa
Niarahana namita
Izy mantsy any mbola te hitafa
Hanohy ny efa vita
Miandry anao hatrany
Ianao ilay reharehany
Ho andry ianteherany

Raha mbola hanananao ny fo mahay mangoraka
Ao anatinao
Iangaviako ianao,ndeha re mba hamboraka
Izay tavela tao
Izy mantsy any
Mbola manontany
Ny aminao rehetra

Nofy2
21 septembre 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1093 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 14/08/2013 14:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143