You are here: home > Vetso

Saino ihany - Nofy2

Azo vakiana?

Mba  nosaininao ve ny fijaliany
Fa ianao olon-tiany no indro mivadika ?
Azonao an-tsainy ve ny fahoriany
Fa ilay nantenainy no tonga namadika ?


Ny fitiavanareo nitondrany am-bavaka
Ny ho avinareo novetsovetsony
Norarinao mba hilatsaka an-davaka
Izany no setrin’ilay tao am-pony


Nataony daholo izao rehetra izao
Entina mba hitazomana anao
Mba tsapanao ve izany ezaka izany
No dia sahinao tapahina  ihany?


Dia tsy menatra akory ‘lahy izato ianao
Miseho tena tia nefa hay hilalao
Naleonao namonjy olon-kafa
Namotika ilay fitia lalim-paka


Mba saino ihany fa sao hanenenana
Ka rehefa voadoana vao hoe  andeha  hiverina

Nofy2
03 septembre 2009

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nofy2


Nampiditra : Nofy2
Daty : 02/07/2013
Mpamangy : 1108
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

ILAY TOVOVAVY
Teny
Divorsa
Tsy misy azo atao!
Sanatria!
Tiako ianao
HAFA IHANY
HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato