Sarotra (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mora ny tia ny mitory fitiavana
Ny hilaza hanambara ny tena ao am-po
Fa loza tsy tanty raha toa ka fandavana
No setriny izany,maratra ny fo

Milanja ny tiavina koa tena sarotra
Raha toa ka ilay tia misisika foana
Efa ilazana”tsia”mbola miady varotra
Tsy mety leo,tsy hita atao ahoana

Tsy mora tsy akory ny manadino
Ny fifankatiavana nirina ho mamy
Tsarovana foana,toa tsy mety mino
Fa hay nofinofy miserana ihany

Fa amiko ireo azo leferina
Azo takomana ny fijaliana
Fa ny zava-doza sarotra afenina
Raha toa ka voadoana,fitahan’olon-tiana

Nofy2
10 Juin 2008
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1428 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 19/04/2014 13:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099