Voadona (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voadona ny foko, voadona ny azy
Raha samy nahafantatra fa hay vazivazy
Natao kilalao fa tsy mandrakizay
Raha samy nilaza ny tsirairay


Dia hoy izy tamiko toa nisalasala
“izaho nge tsy vonona fa nanadala
Nataoko avokoa izay azoko atao
Nentiko mba hanjonoana anao
Ianao moa dia rendrika ery ny amin’ny teniko
Kanefa dia tetika ireo izay nafeniko
Ka ialako tsiny amin’ireo zava-bita
Aleo dia misaraka tsy misy fanditra”


Dia hoy izaho taminy somary nitsiky
“misaotra nitsotra an’ireo zava-nisy
Izaho tsy akory tsy hoe tena tia
Fa mba fanandramana ihany ny aty
Mahatazana ny hafa mitantana ny azy
Mahita azy ireo mifanambitamby
Dia nanaiky anao fa mba te hahatsapa
Hay noheverinao fa fitia latsa-paka”


Tsy nisy nahateny, variana sy gaga
Samy nahatsapa fa hay mbola zaza
Na dia hita izao fa fitia sangisangy
Voadona ny foko, voadona ny azy

Nofy2
22 Nov 2011
--------
Rohy:
3175 1
Mpakafy: Nofy2
Hevitra mandeha
Arofanina ( 16/02/2015 07:13)
Tsara ny nisaraka tsy nisy naratra
Raha ny fitia no tsy hoe feno fatra
Arofanina ( 16/02/2015 07:13)
Tsara ny nisaraka tsy nisy naratra
Raha ny fitia no tsy hoe feno fatra
Nofy2 ( 28/11/2015 15:15)
merci!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 02/09/2014 15:03
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147