FANDROSOANA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahita tsirony tamin’ny kolikoly,
Ka raikipitia tsy te hiala intsony.
Mamboly voky tsy mamboly voky,
Mahafantatr’olona dia manana toky.

Nahita tsirony amin’ny tsy miandry ela,
Antso antariby dia milamina ny afera.
Olo tsy fantatra, mandondona birao,
Mamoaka valopy dia vita ny atao.

Hadino tanteraka fa ny fandrosoana,
Dia miankina amin’ny fikolokoloana
Toetsaina mitsinjo ny ho avin’ny tany,
Fa tsy ilay tia kely, mandrora mitsilany..

Ny olombitsy mpangorokarena,
Amin’ny tsy rariny, mambotry firenena.
Dia miara-mahantra any amparany ihany,
Raha toa ny Firenena no atao an’izany.

Raha ny marina kosa no ho tafa-joro,
Ambanin’ny lalana ny iray manontolo,
Dia handroso tanteraka ny Firenena,
Saingy mbola tsy takatr’izay tia tena.

Na andrenivohitra na ambanivolo,
No miara mandroso sy voakolokolo,
Dia tsy lavitra akory ny atao hoe lafatra,
Indrisy fa maro no tsy mahatakatra !

Nosy Malala
Janoary
--------
Rohy:
115 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0267