NY VOLA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vola,

Hono ho aho, sao misy vola any ho any,
Zaraina fotsiny, mba ilazao ihany.
Na koa azo otazana toy ny voankazo,
Na ravina raofina satria malazo.

Nisy ve nahazo vola teo ampatoriana,
Na ariary zato teo ambony fandriana ?
Na manofinofy ho miliaridera,
Amin’ny fanambakana, mody hoe afera.

Matoa misy ny vola dia nisy olona any,
Niepa-tanana, namokatra izany.
Eny, ankizy mbola tsy ampy taona,
Mamaky vato amidy, satria noana.

Ka raha manana ianao dia dinidiniho,
Ny nahazoana azy ve mba madio ?
Rehefa voavaly ny fanontaniana,
Mahaiza mitantana, tanteraho ny vina.

Raha tsy manana kosa, aza mora kivy,
Miasa, milofo, miantsoroka adidy.
Ny mpitondra mambotry arovy tsy hanjaka,
Ny vonona sy vanona no omeo laka.

Nosy Malala
Novambra 2025
--------
Rohy:
57 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0218