Mitia aho fa mankahala (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITIA AHO FA MANKAHALA


Indraindray aho mitia, dia tsy misy afa-tsy ianao
No andrianin´ity foko
Saingy rehefa injay reko mitambolona ao anatiko ao,
Mibosesika misoko
Tsapako ho mandrotika ny manontolo ny aiko
Mila ahalasa adala
Reko fa manolatra,mankarary koa ny saiko
Ny nataonao malala
Indro aho fa mankahala



Indraindray aho mankahala sady feno hatezerana,
Noho ny nataonao ahy
Reko fa mikiky ny hambom-poko indray miserana,
Mampiady ny fanahy
Saingy indro fa miverina mibanjina,mandinika ny eritro,
Ny tokatranontsika
Dia mibahana miverina mambabo ny eritreritro
Tsy tiako hangatsiaka,
Ireo mamy sy ireo fý
Indro aho fa mitia


Indraindray aho mitia dia toa ahy ery ny lanitra,
Satria aho anilanao
Ampoka fitiavana tsara mahafinaritra,
Noho izao rehetra izao.
Saingy indro fa miserana mamangy ny ati-foko,
Manaloka ahy mangiana
Mandrotika ahy tanteraka ary avy dia tsaroako,
Mila tsy atoriana
Ilay nataonao ahy malala
Indro aho fa mankahala


Indraindray aho mankahala satria dibok´halahelo,
Tsy mahatelin-kanina
Ny feonao miteny tsy mba ilay mamelovelo,
Fa mahavalalanina
Tampoka miverina mandalo ra-fahatsiarovana
Sy ny vokatra voahoty
Voatery aho mandresy ilay saika fadiranovana
Tsy akory aza niangoty,
Fa tena mankahia
Indro aho fa mitia

NY HARIAINA
3 desambra 2011
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2010 1
Mpakafy: Oliviaodette
Hevitra mandeha
arialy ( 23/12/2011 11:43)
ndriiii mitia, mamela, mankahala satria mitamberina ny alahelo amin'ny maha olona fa ny fitia mafy no mangeja...
zonia ( 26/12/2011 08:04)
Sarotsarotra raisina ilay vetso, nefa feno famatorana ny fomba fanoratra. Tsara fa tohizo.
Raha ny votoatiny indray, dia hoe tena tia ilay mpivetso, hany ka tsy hainy intsony ny hoe: mitia sy mankahala. Tsara e!
nyhariaina ( 29/12/2011 22:20)
arialy< Io fitiavana io... na mampitondra ny mafy, ny mangidy indrindra aza ilay olon-tianao dia toa tsy dia mampaninona ihany noho ilay fitiavana


Zonia< Misaotra e! misy fotoana ianao tia, tia tena tia noho ilay fotiavana. Fa matetika koa ianao mankahala noho ny antony maro samy hafa
hery ( 10/01/2012 11:52)
Ny fitiavana amiko dia mitondra fahafahana... fa tsy mangeja.

Saingy rehefa tia koa adala ka tsy maninona na voageja aza. :-)

rojosalohy ( 11/01/2012 13:13)
Izany tokoa rehefa tia, tsy mahalala intsony izany tena toe-po!
nyhariaina ( 24/01/2012 18:57)
Izany mihitsy...
fahamarinana ( 25/01/2012 09:18)
Izay ilay mitia e ... :)
nyhariaina ( 25/01/2012 11:21)
....Io fitiavana io ihany
Zozoro ( 25/01/2012 14:34)
"Na aiza alehanao dia tsarovy hatrany
Fa io fitiavana io dia miely hera-tany..."
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 22/12/2011 12:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143