Ampindramo elatra (Ny Radontsoa Mamiratra)

Nantsain'i Ny Radontsoa Mamiratra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampindramo elatra aho hoentiko hanakatra
‘reo nofinofy mamy niery ny fisiako ;
Hoentiko hanarina ny foko tafalatsaka
an-davaka mangitsoky ny fery ijaliako …

Ampindramo elatra aho, hoentiko hitety
ny habakaba-mangan’ny fiainam-pifaliana,
Fa ts’isy antra loatra ny orana nisesy :
namonto ny efi-trano nataoko fitodiana !

Ampindramo elatra aho ry vorona eny ambony a !
Hoentiko hanaraka ny sidin’ny tsy foiko …
Ho dila ny fitiavany ka tsy ho reny intsony
itony rediredy sy kalo hoventsoiko !

Ampindramo elatra aho, sao hisoka ihany
irý volana katsahiko fihinina ho ahy ;
Hoentiko hiakatra, sao sendra any ho any
no misy hasambarana sy fitoniam-panahy !

2020
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Aingam-panahy
376 4
Mpakafy: Iharilanto - RHTL - MAZ RAMANA - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 12/04/2023 17:25
Antsantononkalo
Nantsain'i Ny Radontsoa Mamiratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184