Antson'ny fo (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey ny fitiavan-dehibe
Nomeko anao,r'ilay malalako
Moa va,mba tsapanao ve?
Fa mandra-maty ny fitiavako?
Raha lavinao dia mijaly re
Ny ranomaso,indro hitete!
Ka ho ory indrindra re ny amiko...
Mangidy loatra ka tsy ho tantiko!

...Ny foko anie,izao miantso izao
Ry tiako o!mba aza lavinao!
Tsarovy anie ilay fitiavany,
F'ianao re no iriany ho
havany!

Mba renao ve izao antso izao?
Injao ny foko,henoy fa mitalaho!
Miantso anao mba hikambana aminy...
F'ianao ihany anie no tena maminy!

...Dieny mbola tena babangoana...
Ilay fo feno fitia anatiko ao,
Valio re ity antsony,fa mbola misy fotoana...
Ka araraoty sao ho neninao!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146