Dindona fitia (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dindon'endrikao sariaka,tsiaro @alina mangina
@ nofy mikirindro...sy ny torimaso mamy
@ tontoloko rehetra,rehefa mety ho eto an-tany
Ka mampiontana ny fo,manintona ahy ho liana...!
Mamony fitiavana,ka mihira anie ny foko!
Mihira @ fihiran'ny hiakan'ny fitia
Mody mihovitrovitra ao,kanefa anie aky,
Mihira sy mivetso ny tsy mba hiova loko...!
Malala hoy ny teny miloatra eo imolotro
Tsy misy teny hafa fa io no atolotro
Fankahalana?fahavalo sa fanadinoana?
Ny sahy milaza fa ny malala dia olo-poana ihany,
Dia manda ny iraisan'olon-droa,am-pitiavana eto an-tany!
@ zava-miaina rehetra,izy mateti-tsaroana!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1288 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097