DISO FANANTENANA. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo voa izay nambolena?
-Tsy nitsimoka avokoa
Sasa-poana re ny tena
Malahelo izany fo!
Ny atody izay nakotrika...?
-Nandamoka,tsisy foy!
Ka indro nampilofika,
Izany foko mila hamoy...
Izay rehetra nantenaina?
-Tsy tanteraka avokoa
Marary anie ny aina
Nefa mba ho aiza moa?
Ny tiana mba notiavina?
-Toa niantsampy eny an-tratrany
Indrisy re!nolavina
Ka izany foko anie,naratrany!
Ny faniriana avy ao anaty?
-Toa voatampina,tsy toa
Marary anie,mahafaty...
Izany tsy tiavina @ fo!
...Ny tany mba irin-ko hita?
Any lavitra...any am-pita...!
Dia hikopak'elatra aho ve?
-Asa! saingy mavesatra eny anie
Ny mitambesatra @ tena
Toa mizioga sesehena!
Ny RTM(RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1564 1
Hevitra mandeha
sayyuk01 ( 16/01/2015 06:30)
Marary mits n fahadisoam-panantenana e!aza mb tratrany iany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113