Endrika niserana (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry endrika niserana teo imasoko rehetra,
Tiako loatra re ianareo,ka sahirana ny foko!
Raha ho tiaviko daholo,ny fitia ka misy fetra,
Ka tsy mety ho'aho,fa fitia toa maro loko!
...Dia hotiaviko ary ianao ry Lisy
Ataoko aiza anefa i Violety?
Raha hotiaviko daholo,indrisy!
Izany saiko anie tsy mety!
Raha hosafidiko ary ianao ry Felana,
I Voahirana anie tsy azo avela
Ny fitia avy ao anaty,indro miha-mamelana
Saingy tsy mety ho'aho,avelao aho hamela...!
Raozy a!malahelo ve ianao?
Malahelo raha toa ka tsy hotiaviko?
Mahereza aky a!fa mbola ao ny taho...
Tiako loatra izy...noho izany ianao,holaviko!
Ary ny Laingomena?
Inona no ambarako aminao?
Izany foko anie nanantena
F'izy no mbola talohanao...!
...
Ho anao kosa ry endrika tsy holazaiko,
Ianao,eny,anie ilay any tena tiako!
Tsy mba hiala aminao,na dia mandreraka ny saiko,
ny endrika sariaka miserana
eo anoloan'ito foko!

Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1078 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144