Etsy matoria (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy ary matoria,izany zanako izany,
Etsy matoria,dia manofisa mamy...
Etsy matoria,fa maizina ny tany...
Etsy matoria,atsaharo ny tomany!
Etsy matoria,fa tsy hatory aho akory
Etsy matoria,fa ny foko mbola ory...
Ory ny mihatra @fainantsika eto
Mitsilopilopy lalandava,tsy ilaozan-tsento!
Nefa etsy matoria!
Mikimpia dia mikimpia!
F'aza manahy ny momba ahy akory
Fa tsy maninona aho...hiaro anao matory!
Fa mandra-piavin'ny maraina,
Matoriza sombiniaina!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1215 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0479