Faniriako. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fo izay atolotro,
mangetaheta an-dry
Maniry ny mba hisotro,
ny maminao...fitia...!

Ny androm-pijaliana,
Raha ekenao ny fitia...
Ho fararanom-pifaliana,
Satria mamy ianao aky!

Ny fo izay miangavy,
Raha eo anilanao,
Angamba ravehivavy,
Ho safononoky ny maminao...

Ho ravo ny fanahy,
Raha tsy mba lavinao
Tena fitiavana anie ny ahy
Ka รด! Mba raisonao!

Finaritra ny saiko,
Raha mba tiavinao
F'ianao re no aiko...
Ka aza ilaozanao...!

Fa tsy mba ho afaka ato am-poko,
Ny faniriana anao
Mba raiso re ny foko
Ho tena lapanao!

Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1554 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143