Fitia mampijaly (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hono,ry foko hianjadiam-pahoriana,
Mbola tiavina ihany mantsy ny efa tsy tia?
Hono,ry saiko moa ve niriana?
Ka tsy ho resinao ity foko ity?
Hono,ry fitiavako tsisy mpandray,
Ny herinao fahiny va re dia hikoro?
Ka hionona,eny,ho mandrakizay
Dia izato foko no ho torotoro...?
Hono,ry fitiavana lehibe indrindra...
Izay sasa-mampijaly ny foko tomany...!
Maninona ho'aho no dia mora hafindra,
Ho an-kafa izany fitiavana izany?
...Mangina ry foko! dia hitoloko ve?
Hionona ve raha toa izy tsy tia?
Mangina!mangina!f'ianao,eny,anie,
Tsy inona tsy akory fa nofo mitia...!
Ny saiko am-panahy tsy ho lavon'ny fitiavana kosa!
Koa maninona moa raha mionona ihany?
Ny foko ihany no ataovy mitrosa...!
Hizioga fijaliana,ataovy tomany!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1246 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098