You are here: home > Vetso

fohazy - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Azo vakiana?

Eny,ndeha fohazy indray
Ilay fitiavana efa niotrika  efa ela
Sy ny hambo-po manesika anao te-hivoatra...
Fohazy koa ny fanantenana,hampandresy anao hatrany!

...Eny,fohazy izany anio,
Ary izao no tadidio:
Mpandresy ianao anio!
Mpandresy sady manantena
Ary koa vonona ny hiady,
Tsy hiamboho adidy,
Tsy ho diso safidy
N'aiza n'aiza aleha,
Dia ho tompon'lakile!
...
Ho mpandresy foana foana

Saino izany anio!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha