Hidera Anao. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hidera Anao,
tsy mba hitrahatra
Ka tsy mba ho lao,
ry Ray izay mpandahatra
Fa raha mbola misy,
fotoana ihany
Tsy hitrahatra mihintsy anie,
fa hidera Anao hatrany!

Tsy ho vita intsony,
ny handao Anao
Hanotana indray,
eo anatrehanao
Ka tsy hiverina indray,
raha tsy efa voakapoka
Rehefa injay,ny fo no mikarapoka...!

...Izahay anie mpanota,
tsy mendri-kafahana
Saingy hitalaho Aminao,
fa mila fahafahana...
Ianao ihany no afaka,
mampitony ny ankaso
Ary raha toa izahay ka potraka,
Ianao,mamafa ranomaso!

Ny firenena hafa,
tsy ho arahanay intsony...
Fa ny fiderana Anao,
no asandratray ambony!
Ka ny vavaka hatao,
dia ny mba haharitra hatrany
Hateza tokoa anie,
izany fiderana izany!


...Mba ho tanteraka tokoa anie,
izany faniriana izany!
Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1016 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144