Lavitra any... (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao,

Tsarovy izao teniko izao,
Tsarovinao lavitra any...
Mafy anie izany tsy anilanao
Tena mafy,mampitomany!
Fa tsaroako finaritra aho raha anilanao
Tsaroako mijaly kosa raha saraka...
Maninona aho re no dia nilaozanao?
Indrisy!ranomaso sisa no miraraka!
Fa fahatsiarovana sisa tavela
Fahatsiarovana izay mampitamberina...
O!fahatsiarovana tsy mba hamela
Izato tsangananao antenain-kiverina!
...Malala o!toa tsy mba ho tantiko intsony
Mavesatra amiko,izany tolokoko izany!
Fa dia nilaozanao,indrisy tsy mitony...
Fa mbola hiandry ,hiandry anao izay vovo-tany!
Dia mandriam-piadanana rahavako!
Fa na dia vovoka aza ianao
Mandra-maty ny fitiavako!
Tsy mba hanadino anao!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1120 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014