Miangavy (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tsy fantany akory dia nitenenana ny ratsy...
Mbola tsy nitia akory dia efa norarana
Indrisy e!angamba ho'aho vitan-dratsy...
Saingy fitia miredareda,ka tsy azoko hofafana...!
...Ny vatako eny anie,azonao fefena
Fa ny foko kosa,tsy ho azonao mihintsy!
Saingy tia aho ve,dia tsy avela hanantena?
Toa feranao foana,raranao,indrisy!
Tsia!mialatsiny re aho fa tsy tantiko izany
Raha feranao foana,izany foko anie tomany...
Nefa raha ny fahitako anao,dia handrara ho doria...
Tsy mba fantatrao akory,izany fo rehefa tia...
Ny vatako anie na dia feranao,tsy maninona
Fa ny foko kosa,aza atao fa sao ho rotika
Sa ve misy fo amidy,aiza dia hoatrinona?
Raha mitohy mantsy izao,ny foko no ho potika...!
...Avelao re izahay mba hifankatia,fa fitiavana ny ahy!
Raha tsy mahatoky anie ianao,tataho izany tratrako...
Tsy mino ve ianao hoe:izy ilay mamin'ny fanahy?
Ka raha feranao,hidadasika ny ratrako...!
Hiangavy farany aminao aho,avelao re izahay hifankatia
Marary anie ny foko,raha tsy izy no anjarany
Moa ve ho'aho mba fantatrao,izany fo raha tena tia?
Avelao re izy e!mba hifidy ny anjarany!
Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1557 1
Mpakafy: Rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148