Miangavy 02 (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hono,ho'aho ry tiako
Moa ve mba efa nosaininao
Izay mety ho fijaliako
Raha toa ka ilaozanao?
Moa ve mba efa nosaininao
Izay mety ho amiko
Raha toa ka hoesorinao
Izay mba tena mamiko...?
Aoka re izao
Aoka,aoka e! Tsia!
Izaho ka tia anao
Ary tia dia tena tia!
Aza ariana aho,
Aza ilaozana izany
Fa ny foko efa nitalaho
Ary mbola hitempo hatrany,
Eny fa na dia ho lavinao tokoa
Dia tsarovy e! Fa tia anao tokoa
Vonono hitondra ny soa
Ary tsy hivadika aminao
Toy izao tadiavinao atao izao
Koa raha mbola azo iangaviana
Dia mba henoy aho aloha ry tiana
Ny fitia ange tsy kilalao e!
Ka rehefa hoe te hifandao dia mifandao
Tsy fitiavana anefa izany
Fa mety hoe haitraitra fotsiny ihany
Ka ny any mba angatahiko malala
Dia ny fitiavanao tsy hiala
Fa fantatro tsara raha ianao...
K'aza manao ahy toy izao
Ny ahy anie ny fitia ka tsy hanam-petra e!
Ary foiko ho anao ny amiko rehetra...
Koa maninona moa isika raha miaraka
Ary miara-mivoady ny tsy hisaraka?
...Anao re ny sisa
Koa mahaiza mamisa!

Tiako ianao!
--------
Rohy:
1359 1
Mpakafy: Rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176