Miantso anao ny foko (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy angamba izay,
Ny fotoana nisarahana
Tsapako hatrizay
Fa babangoana ny amiko
Ary izao no tiako avahana:
Efa ianao re no mamiko!

Eny,nifandao isika
Herintaona teo izay
Izaho aloha nangatsiaka e...!
Ny fitia vao mainka mivay
Rehefa injay mahita anao
Mila ho lasa adala tsotr'izao!
Gina,sina tsy mahateny
Toy ny saha manirery
Satria tena tia anao!
Ka tsizarizary izay hatao
Eny fa na dia h@ torimaso aza
Dia tsy hita izay hoe mba sahaza
Fa zara raha matory
Raha mifoha maraina ory!
Satria toa lasa saina ny aminao
Miha mahia lava izao

Raha ny fotoana nifandaozana
Tena malahelo anao aky an!
Ary ranomaso tomandavana
Satria irery ilay fitia
Tsy fantatra ahoana
Tsy hay hoe naninona?
Fa dia nisatrara-poana
...
Fotoana fohy niarahana,
Fotoana fohy nisarahana
No nahatsapako fa mila anao ny fiainako
Manjohy anao ny fisainako
Ka raha mba sitrakao,
Valio izao antso izao
Fa miantso anao ny foko!
Ianao anie tsy foiko
Miverena re ry mamiko
Fa ianao no masoandroko
Raha tsy ianao,maizina ny androko...

Miantso anao ny foko
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1630 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099