Mitondra biby (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nifankatia isika,
Ary tena nifankatia
Fahiny anefa izany,
Fahatsiarovana fotsiny ihany!
Fa raha averina kely ny tantara,
Dia izaho ilay tia anao;ianao koa moa tia ahy?
Isika koa tsy nisy nisalasala
Fa avy dia samy sahy...
Hilomano anatin'ny fitia
Ary nivoady ny ho doria!
...
Tsy hay anefa izay nahazo
Asa,ny elanelan-tany?
Fa indro toa niha-malazo
Izany atao hoe fitiavana izany!
Nanomboka nihafahafa ianao
Nanomboka tsy hitahita
Raha mba maniry moa aho hoe andao izaho sy ianao
Hampiarakaraka eny isika,
Dia tsy tratra antso foana!
Avy eo dia miala-tsiny
Dia tahak'izany foana
Namaly aho hoe aza tsiny!
Fa inona kay ny antony?
...
-Volana maromaro taty aoriana,
Nahita anao aho
Nahita anao tsinahy
Sady efa avy nisotro rano tsy tiana...
Avy amin-dry zalahy!
Hay ianao bevohoka?
Any sisa voateniko,
Any sisa fara-heriko!
Ary tonga aho dia lasa
Ka nitamberina ireo lasa...
Nakatoko ny varavarana,
Fa hitomany aho!
Hitomany ny ron-doha & dinim-pitiavako
Lany taminao rahavako!
...
Nitraka aho ankehitriny
Fa mahasoava ianao!
--------
Rohy:
1164 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014