Nahoana (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny manana miha-manana ihany
Ny mahantra miha-fadiranovana
O! Inona re no mahatonga izany,
Raha vao malotoloto dia tsy handalovana...?
-Fa raha mbola eto an-tany dia izao no tsarovy:
Ny fiainana etoana dia mila fepetra
Ka raha mavomavo...Dia izao no tsinjovy:
Tsy mifanentana re,ny madio sy voretra!
Ary inona ho'aho no mahatonga an'izao:
Raha mba ohatra hoe tiako,eny,ianao,
Dia tiavina aho androany ampifaliana
Saingy lavina aho ny ampitso...dia ampijaliana?
-O! Manavaka lahy ny fo mitaky saranga
Ka andrakandramany ny fo tena tia
Lalaoviny aloha ka raha tsy anatin'ny manga,
Tsipahany avy eo,aok'ozy izy e,tsia!
O! Miangatra roy ny lalan'ny tany
Miangatra ny manana e!Manindry ny ambany!
Tsarovy eny anefa fa ny fiainana etoana,
Kodiaran-tsarety ka mety hivaona!
-O! Mahereza ry lahy fa fiainana izany!
Mitraka eny ianao fa aza mitomany
Jehovah Andriamanitra anie dia mbola ao,
Izay tsy mba manadino ahy sy anao!

Mahereza!

RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
--------
Rohy:
1217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102