Nofy ihany. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay fa miantso mora...
Hampikimpy indray ny maso
Ka hitondra nofy ao anaty natiora...
Ity alin-torimaso!
Manonofy indray ny foko...
Ka manofy ny tsy ho tanteraka
Ka miatonta ireo toloko
Ka maha-mora reraka...!
Tao ny niainako omaly
Ao koa ny mbola ho avy
Efa nonofisiko anie izany
Raha hosainina,mampanavy!
Torimaso iray mahantra
Noserana-nofy mamy...
Kanjo kosa toa tsy mihatra,
Fa ao anaty nofy ihany!
Nofinofy nantenaina
Ho tanteraka sy ho toa
Kanjo dia mampitaraina
Ka mampitoloko izany fo!
Safosafo tonga hasambarana
Tonga jaly sy tomany
Tao anaty nofy tsy nosasarana...
Sady tao anaty nofy ihany!
Nofy mamy tsisy dikany!
Tsy hamonto ny an-tany
Nasehony avokoa izato bikany
Saingy tao anaty nofy ihany!
Torimaso zatra nofy
Sy tamana hanofy lava
Io ny bikany,tohofy!
No mitranga lalandava!
Nofy koa re ka lava
Ny eto an-tany aiza intsony?
Toa zary nofy lalandava...
No sisa mampitony...!
Rahoviana kosa re ry nofy
No mba hahatanterahanao?
Io ny tsanganany,tohofy
No mitranga lava izao!
...Nantenain-ko ho tena marina
Izany hasambarako tany...
Hay nofy,mahafanina...!
Tsy ho tontosa eto an-tany!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2050 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141